Fikorontan’ny sidin’ny Madagascar Airlines

Niteraka voka-dratsy ho an’ny fihariana maro


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Hatezerana ny an’ny mpandraharaha iray ny zoma teo rehefa nolazaina fa foana ny zotra tokony

nandehanany teo anivon’ny orinasam-pitaterana ana habakabaka, Madagascar Airlines, noho ny olana ara-tekinika. Zotra anatiny amin’io, hoy ity mpandraharaha ity, no resaka fa tsy mba hoe mivoaka an’i Madagasikara. Tsy azo nosorohina mialoha ve, hoy izy, ny olana fa tsy maintsy hoe efa amin’ny andro tokony hiaingana mihitsy vao ampandrenesina ny mpandeha? Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray teo anivon’ny kaompania Air Madagascar taloha moa dia niteraka voka-dratsy ho an’ny fihariana maro ity fanemorana sy fanafoanana sidin’ny Madagascar Airlines ity. Eo ny fahavoazana eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany. Isan’izany ho an’ireo hotely efa namela famandrihana efitra ho an’ireo mpanjifa neverina fa tokony ho tonga ara-potoana saingy niharan’iny sampona na koa nambara hoe tandrevaka iny. Efa niomana tamin’ny ara-tsakafo koa anefa ireo ka dia simba fotsiny, noho izany, izany sakafo izany. Voatery hamerim-bola izany ireo hotely. Ankoatran’ny fahasorenana ho an’ireo mpandeha ihany koa dia nisy fahaverezana fotoana be tao, fahaverezam-bola, fotoam-bita nofoanana, fitomboan’ny vola mivoaka. Tsy resahana intsony etsy ankilan’izany rehetra izany ny fahavoazana miantraika amin’ilay kaompaniam-pitaterana ana habakabaka. Mety tsy ho ireo mpiasan’ity kaompania ity ihany no ho very asa fa hatramin’ireo manana asa hafa ivelany mifampiankina amin’izany. Hisy fiantraikany amin’ny toekarem-pirenena mihitsy, araka izany, izany rehetra izany, raha fehezina. Inona moa izany no antony nilazana na nanaovana ny Air Madagascar fa natao ho raisina an-tanana eo anivon’ny fitsarana na «redressement judiciaire» na koa hoe «liquidation judiciaire» raha toa ka vao mainka loza lavitra toy izao no ho ampiharina aminy? Tsy fotoana ve izao hametrahana amin’ny toerana ao ireo tomponandraikitra tena azo antoka fa afaka hanarina marina ity kaompania ity sy ametrahana politikam-pitantanana vaovao ao mba hanavotana marina ny toekarem-pirenena, hoy hatrany ny fanontaniana mipetraka?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT