Fifamoivoizana

Fikojakojana lalana Inona no ao ambadiky ny tsy fanendrena Sekretera jeneralin’ny FER ?


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Banga efa volana maro izao ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ny Tahiry ho fikojakojana ny lalana na FER (Fonds d’Entretien Routier) rehefa nahavita fe-potoam-piasana telo taona in-droa ny tompon-toerana.

 

 

Nisy fanendrena Sekretera jeneraly vonjimaika saingy efa dila herinandro vitsy koa izay fe-potoana niasan’io. Manontany tena ny maro ny anton’io fitarazohan’ny fanendrena ny Sekretera jeneralin’ny FER io. Re mantsy fa efa nisy anarana naroso taorian’ny sivana nataon’ny orinasa nalaina manokana hanao izany, mba hisafidianana izay hotendrena fa tsy mety voatendry mandrak’ity ny anio. Inona no ao ambadik’izany ? Hanara-dia ny OMACI (Office Malagasy du Cinéma et de l'Image Animée) handalo tetezamita indray koa ny FER sa mety hanjavona mihitsy ? Vola be efa hatrany amin’ny 140 miliara Ariary anefa, raha ny 2018 fotsiny, no tokony hampiasaina. Maro ny fiantraikan’ny fahabangan-toerana io. Betsaka tamin’ireo orinasa nisahana fikojana lalana no mitaraina ho tsy mbola voaloa vola tamin’ny asa nataon’izy ireo. Potika ny ankamaroan’ny lalana, indrindra ny lalam-pirenena saika manerana ny Nosy. Tampoka eo indray anefa misy asa fanamboaran-dalana mandeha na ampandehanina amin’ny andro alina eto an-drenivohitra. Asam-panjakana mazava loatra satria nisy minisitra nanao latsak’alina nijery ny fizotry ny asa. Ny fanontaniana eto dia ny hoe : nisy “appel d’offre” nisokatra ve ny nanomezana ny asa sa nosokajiana ho asa maika dia natao tolotra amin'izay voafantina, ary iza no mamatsy vola ny fanatanterahana azy ? Famatsiam-bola anatiny ? Ny lalàna fanitsiana ny tetibola aza anefa mbola mihazoazo ny fampiharana azy. Ny amin’ireo asa fanamboarana amin’ny andro atoandro mivandravandra amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra aterany amin’ireo lalam-pirenena miisa dimy, mirefy 47km, mivoaka an’Antananarivo mantsy efa fantatra fa famatsiam-bola avy amin’ny BEI (Banque Européenne d’Investissement) an-dry zareo Eoropeanina anohanana ny tanànan’Antananarivo, tarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana no anatanterahana azy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT