Fifamoivoizana

Fikatsoan’ny fifamoivoizana teny Anosizato Nisy namaha ny « sellette »n’ilay kamiao, hoy ny mpamily azy


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Naiditra « fourrière » mandritra ny 10 andro raha araka ny loharanom-baovao azo ilay fiara lehibe nibahana tetsy Anosizato omaly maraina nanomboka tamin’ny 08 ora.

Raha araka ny fantatra dia tokony handeha hiazo ny lalam-pirenena faharoa any Toamasina ity fiarabe ity no simba tampoka. Nisy namaha ny seletin’ilay fiara hoy ny mpamiliny ka tsy afa-nanoatra izy sy ny mpanampy azy ; izay no nahatonga ilay vatabeny mibaby ny « remorque » tsy voafehy intsony lasa nibahan-dalana. Naharitra ora telo teo ho eo ny fitohanana vokatr’izany izay efa tena lava dia lava tokoa. Lasa niodina tany Itaosy nivoaka an’Anosimasina ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana noho izany. Ny Taxi be mampitohy an’Anosy sy Fenoarivo ohatra dia nandray ny digin’Anosipatrana rehefa tafavoaka avy any Anosibe dia miditra an’Ampasika dia miodina indray any avarabohitra Itaosy izay vao miakatra an’Ampitatafika.Tsy nifankahitana ny fitohanan’ny fiara tamin’ny lalana rehetra mifandray amin’Itaosy sy Avarabohitra ary Ampitatafika omaly maraina tontolo. Maro ireo nisafidy ny nadeha an-tongotra, nisy indray ireo voatery nandeha lakana niampita mihitsy ka nahatratra 400 Ar ny saran-dalan’ny olona iray raha 200 Ar izany teo aloha. Niely mihitsy moa ny feo tamin’io andron’ny omaly io fa nianjera ny tetezan’Anosizato, antony niteraka fikoropahana, izay vao miha nampikorontana sy nampitombo ny fitohanana ka nanosika ny ministeran’ny asa vaventy hijery akaiky ny zava-nisy marina.Tsy nisy tetezana tapaka na nihotsaka izany fa ilay fiarabe nibahana no nahatonga ny fitohanana.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT