Fikasana hanova ny anaran’ny Boulevard Ratsimilaho

Naneho ny hatezerany ihany koa ireo mpanolontsain’ny tanàna


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Nandefa taratasy ho an'ny minisitry ny kolontsaina sy ho an'ny ben'ny tanànan'i Toamasina

ny faran’ny herinandro teo ireo mpanolontsain’ny tanàna ao an-toerana ho fanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany tamin’ny taratasy nataon'ny ben'ny tanànan’ity kaominina andrenivohitra ity. Izahay mpanolotsaina monisipaly izay manao sonia etsy ambany, hoy izy ireo, voafidy teto an-tampon-tanànan'i Toamasina I dia maneho ny fanafintohinana sy tsy fiombonan-kevitra tanteraka manoloana ny fangatahana hanoloana ny anaran'ny lalana Boulevard Ratsimilaho ho Boulevard Andry Rajoelina izay nataon'ny ben'ny tanàna, Rakotonirina Nantenaina. Tsy fahefan'ny ben'ny tanàna ny manapa-kevitra mikasika an'io raharaha io fa anjaran'ny mpanolontsaina. Ny lalana Ratsimilaho dia tsy lalam-baovao vao vita fa lalana nohavaozina. Amin'ny ankapobeny, dia olona efa nodimandry no omena ny lalana ny anarany fa tsy olona mbola velon'aina. Ratsimilaho dia mpanjaka nampisy ny foko Betsimisaraka. Izao vinavina kasaina atao izao dia manimbazimba ny fanajàna ireo fomba sy ny tantaran'i Madagasikara sy ny an'i Toamasina manokana. Izahay dia mangataka ny fanafoanana tsy misy hatak'andro sy adihevitra izao tetikasa izao sy ny taratasy izay nataon'ny ben'ny tanànan'i Toamasina, hoy hatrany ireto mpanolontsain’ny tanàna ireto, naneho ny hatezerany ihany koa manoloana izao fikasana hanova ny anaran’ny Boulevard Ratsimilaho izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT