Fifamoivoizana

Fikambanan’ny Taxi Tsy hanaiky ny tsindrihazolena


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Nampiaka-peo indray ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR eo anatrehan’ireo lafin-javatra mahakasika azy ireo mivantana na ankolaka.

Momba ny Taxi-moto, nolanian’ny mpanolotsaina ny maha ara-dalàna azy, mbola tsy nivoaka ofisialy izany kanefa efa miasa ireo. Milaza hiady hatrany ny FTAR amin’ny maha tsy ara-dalàna ny fomba nentina nandaniana an’io amboletra, ka haka mpisolovava hitondra ny fangatahana ny handefasana azy eny amin’ny Fitsarana Anosy. Mitaky ny hamoahana ny “Licence Taxi” izay nampanantenaiń’ny Beń’ny Tanàna fa vita iray andro tany am-boalohany kanefa 3000 ihany no navoakany raha tokony 7800 teo ny isan’ny Taxi voarakitra ara-dalàna. Afak’omaly vao mody namoaka Licence 480 isa ny kaominina, raha ny fanamarihan’ny FTAR. Ny resaka “stationnement Taxi” kasaina hofoananana fa halalahana ary handoa “droit de stationnement journalier” 3000 Ar tsirairay dia tsy ekena fa ny tetibolańny kaominina ihany no arahana ka handoa ny “droit” ara-dalàna 20 000 Ar isaky ny 4 volana izahay, hoy ny FTAR. Tsy manaiky ny “visite de conformité” na “contre visite” taloha izay fizahana ny kalitaoń’ny fiara Taxi miasa izy ireo, ka ny loko ivelany, “capitonnage” sy “fonon-tseza”, “plafond”, ary ny fahadiovańny fiara amin’ny ankapobeny. Tsy hoe tsy te hanara-dalàna fa noho ny fihibohana covid-19 sy ny fisondrotry ny vidim-piainana, ny halafoń’ny kojakoja fanolo amiń’ny fiara, ny haratsiń’ny lalana tsy mifanaraka amin’ny fenitra an-tanan-dehibe, tsy vitan’ny maso mijery fotsiny io “visite” io fa hampiasana “appareil” na fitaovana avo lenta, ka betsaka ny fiara hihintsana nefa io fivelomana misy hatreto izay miantoka ny fikojana ny fiara, hiveloman’ny mpamily sy ny tompon’ny fiara, hoy hatrany ireo mpanao taxi. Fantatra omaly fa hitsangana ny komitin’ny Taxis hiaro sy hiady ny tombotsoan’ny Taxi amin’ny lafiny samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT