Fifamoivoizana

Fikambanan’ireo mpampiasa fiara vaventy Amboary ny lalana ry fanjakana a !


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Mahatsiaro ho sorena amin’ny hataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fikambanan’ireo mpampiasa fiara vaventy toy ny APTR, ny ATC, ny GTRM, ny APTH eto amintsika.

Be loatra mantsy ny olana sedrain’izy ireo raha araka ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly taorian’ny fivoriambe notanterahin’izy ireo. Lohalaharana amin’ireny ny haratsian-dalana indrindra fa ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra ary fahaenina sy ny fahafito. Misy anefa hoy Atoa Hiango Abdon Thinot filohan’izy ireo ny vola alaina amin’ny solika hampiasain’ny fiara vaventy izay tokony havadika hanamboaran-dalana saingy tsy hita fototra mihitsy io no sady tsy mazava. Noraisiny ohatra tamin’izany ny lalana mampitohy an’Anjiro sy Moramanga izay nomarihiny manokana fa ohatra ny mandeha tohotohotra ny fiara vaventy mampiasa azy raha mandeha mafimafy. Raha mandeha mora indray anefa hoy izy dia efa hanihindry zalahy ny labasy ….ka tapitra lasany avokoa ireo entana entina. Ankoatra izay hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo dia tafakatra 100% mihoatra ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara na ny piece amin’izao. Tsy lazaina intsony ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay hiainan’ny mpampiasa fiara rehetra. Raha vantany vao manondrotra saran-dalana anefa izahay hoy izy dia toa mahazo tsiny foana nefa iaraha-mahalala ny zava-misy. Hitokona indray ho noana tsy hisy hamatsy sakafo sy entana ny mponina manerana ny faritra maro. Miantso ny Fitondram-panjakana mba ho tonga saina araka izany izy ireo. Nomarihin’Atoa Hiango Abdon Thinot moa fa na hanamboatra lalam-pirenena iray aza ny Fitondram-panjakana dia maharitra an-taonany ny fandinihina izany izay ela loatra ka tokony hafainganina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT