Fifamoivoizana

Fikambanana kodiaran-droa “Misy te hamboly korontana eto Antananarivo”


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Naseho am-pahibemaso tetsy Anosy omaly ny alalana na ‘’recépicé” mampahafantatra fa ara-dalana ny fikambanana kodiaran-droa na AKD izay miahy ireo mpitatitra amin’ny “taximoto”

 ary manana ny sata mifehy azy ireo manokana. Manentana ny mpisehatra rehetra izay mbola tsy tafiditra anatin’ny rafitra mba hanatona ny foibe eny 67ha, hoy ny filohan’ny AKD, Ramamonjisoa Fulgeance. Manoloana ny resaka tolo-dalana ho aroso momba ny “taximoto” dia efa napetraka any amin’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo ity sata ity, hoy izy. Manentana ireo mpanolontsaina izahay ary miangavy mba handany ny tolo-dalana izay heritreretina hampandrosoana ny tanora ity satria famoronana asa io. Olona 1 no entinay fa tsy maro toy ny an’ny taxi sy taxibe. Voaresaka teo fa manendaka sy mangarom-paosy ny moto. Misoroka izany ity fikambanana ara-dalana ity ary nasianay karatra na “badge” manokana ny mpikambana. Misy kaody bara io. Hisy ny fanisana iarahanay amin’ny kaominina, hoy hatrany izy. Misy olona te hamboly korontana eto Antananarivo dia mampiady ny “taxi” sy “taximoto”, hoy ny mpitatitra, Andrianarintsoa Hoby Nicolas, ka miantso antsika tsy hanaiky atao fitaovana politika. Samy mahalala ny rehetra fa mamaha olana ny “taximoto”, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT