Fifamoivoizana

Fihaonan’i Barea sy Bénin Safotry ny fitohanana Antananarivo


  • Zoma 03 Septambra 2021

Safotry ny fitohanan’ny fifamoivoizana omaly i Antananarivo nialohan’ny lalao nihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea sy ny ekipan’I Benin.

Notapahana moa ny lalana ho an’ny manodidina an’iny Kianja Barea etsy Mahamasina iny. Ora iray no faharetan’ny zotra anaty fiara niainga teo Analakely nihazo an’Anosy ary voatery mihodidina ity farihy ity izay hijery ny lalao na koa hihazo ireo faritra hafa toy ny any Namontana sy Akadimbahoaka. Tsy nisy toerana izay tsy nahitana fitohanana niteraka fahasorenana, indrindra, ho an’ireo nampiasa fiara. Na ny avy eo Ankadimbahoaka nihazo an’i Tsimbazaza io na ny taty amin’ny manodidina an’Analakely sy Behoririka taty, indrindra, nanomboka teny amin’ny 12 ora tolakandro teny. Tsiahivina hatrany moa fa tamin’ny 7 ora alina no nanomboka iny baolina omaly iny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT