Fifamoivoizana

Fifindran’ny taksibrosy eny Andohatapenaka Tsy mitovy hevitra ny ATT sy ny mpitatitra


  • Talata 13 Febroary 2018

Tsy mitovy hevitra ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ATT sy ireo mpitatitra mivondrona ao anatin’ny ASTRAM hafindra toerana etsy amin’ny toby fiantsonana vaovao etsy Andohatapenaka.

Raha ny fantatra dia efa namoaka naoty ny amin’ny tsy hahafahan’ny mpandeha mihazo ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina mividy tapakila eny an-toerana Ambodivona  intsony ny ATT manomboka rahampitso alarobia 14 febroary. Ireo mpitatitra mivondrona eo anivon’ny ASTRAM anefa eo an-daniny tsy mbola mahalala na inona na inona akory. Raha ny fanazavan-dRakotondrafara Fredinard, filohan’izy ireo omaly dia mbola eo am-piandrasana ireo fepetra takiany izy ireo amin’izao izay vao hanapa-kevitra ny hifindra. Anisan’izany ny famenoana ny fitaovana eny Andohatapenaka, ny fametrahana izay olona hitantana ny tobim-piantsonana mba tsy hiverenan’ny gaborakaka toy ny hiainan’izy ireo eny Ambodivona amin’izao, ny resaka fiarovana ny ain’ny mpandeha, ny fanadiovana…Tsy vita mora anefa izany. Hifindra moramora izahay raha vitany mialoha ny 14 febroary ireo rehetra ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT