Fifamoivoizana

Fifindran’ny taksibrosy eny Andohatapenaka Mbola tena ady sy tolona


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Tsy mbola hifindra eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao eny Andohatapenaka ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena voalohany sy fahefatra ary fahenina.

Taorian’ny fivoriana notanterahin’ireo koperativa voakasika etsy amin’ny Fasan’ny Karana sy eny Ambodivona no nahafantarana izany, omaly, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ASTRAM Rakotondrafara Fredinard. Antony dia tsara foana ny mamantana fotodrafitrasa mendrika sy ara-dalàna na dia efa maika sy dodona aza ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana. Zavatra roa no notakian’izy ireo. Voalohany dia ny fandraisan’ny fanjakana izay orinasa hatolotr’izy ireo hitantana  ity tobim-piantsonana iray vaovao ity sy ny  fitakian’izy ireo ny hahatomombana tsara ny toerana sy ny fitaovana rehetra ilaina ao anatiny. Hifarana ny 22 febroary ho avy izao mantsy ny tolo-bidy ho an’izay orinasa handray izany raha mbola betsaka ihany koa ny fitaovana tsy ampy ao amin’ity tobim-piantsonana ity. Anisan’ireny ny seza, ny solosaina, tsy  mbola voalamina ihany koa ny resaka fandriampahalemana. Ankoatra ireo fitakian’ny koperativa rehetra ireo moa dia manana ny heviny ihany koa ireo mpitatitra hifindra eny toy ireo mpamily sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto :

Lalaina, mpitatitra mampiasa iny lalam-pirenena voalohany iny : Ny anay aloha ilay hamolaka tsena vaovao no tena mampanahy anay e ! Somary ankebakeban-tany ihany mantsy no misy an’Andohatapenaka. Ankoatra izay, tokony hiara-mifindra daholo ny mpitatitra fa raha misy mbola tavela mantsy eny amin’ny sisiny eny dia mety hamono ny tsena izy ireny.

Bera, mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena fahefatra :  Ny anay indray aloha lasa akaiky ny lalana aleha e ! Vao mivoaka ny tobim-piantsonana mantsy dia mahazo ny lalam-pirenena fahefatra. Ny indro kely fotsiny dia ny hamolahana ireo mpandeha hampiasa ity toerana ity sy ny resaka fahadiovana. Teny Ambodivona mantsy afaka mahita ny rehetra amina toerana iray ny mpandeha iray.

Fano, mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena fahenina : Ny anay ny koperativa efa vonona amin’ny ankapobeny. Efa misy ny toromarika mandeha omena anay mpitatitra amin’izao. Na izany aza anefa ohatran’ny mbola olana kely ny famolahana ny mpandeha sy ny fampiasana zavatra raitra sy avo lenta tahaka ireny.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT