Fifamoivoizana

Fifaterana any Ambatondrazaka Miha gaboraraka tanteraka


  • Talata 24 Martsa 2020

Goragora tanteraka ny fifampifehezana eo amin’ny lalànan’ny fifamoivoizana amin’ireo fitaterana any Ambatondrazaka. Miha mahazo





vahana ihany koa ny fitaterana amin’ny alalan’ny Tiktika sy taxi-moto
izay tena mampiavaka amin’ny faritra hafa ary ny Kubota lasa ho
fitaovam-pitaterana olona. Miainga avy amin’ireo mpamily voalaza
amin’ireo fitateram-pitaterana 2 farany ireo no matetika itrangan’ny
lazam-pifamoivozana Ambatondrazaka.
Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna na amin’ireo kôperativam-pitaterana
rezionaly sy nasionaly dia nisy ny atrik’asa fakan-kevitra
fandrindrana ny andraikitra eo amin’ny fitaterana ary tamin’ireo
mpitatitra teto an-toerana izay notarihin’ny ATT Toamasina sy ny
faritra misahana ny fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana
ny toetr’andro Alaotra Mangoro, koa tamin’izany no nampahafantarana
tamin’ny rehetra fa misy ny lalàna mifehy ilàna fampiharana.
Noentanina ny rehetra fa natao ho maimaim-poana aloha raha misy sarany
izany mahakasika ny bokin’andraikitra tsy maintsy ataon’ny mpitatitra
indrindra ny kôperativa. Ankoatra io didy tsy maintsy raisina avokoa
ny mombamomba ny mpandeha alohan’ny handehanany mba ho fiantoana azy.
Tsy tokony hisy ny transbordement na famindrana mpandeha, ny fampiasana ho
fitaovam-pitaterana olona ny kibota dia voararan’ny lalàna fa kosa
natao ho fitaovam-pitaterana ny ho an’ny famokarana, manao haron’ankanjo
avokoa ny mpamily taxi-moto no tsy maintsy miditra anaty kôperativa.
Ka ho hentitra ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra
isan’ambaratongam-pahefana aty Alaotra Mangoro hampiharana ny lalàna
avy hatrany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT