Fifandraisana an’habakabaka

Raikitra ny ketrika sidina mivantana Dubaï-Madagasikara


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fitaterana an’habakabaka sy ny fizahantany

eto Madagasikara ny fifampiresahana teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Filoha mpitantana ny Emirates Airline & Group, Son altesse Sheikh Ahmed Bin Saeed Al Maktoum, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Naneho ny faniriany ny hisokafan'ny sidina mivantana mampitohy an'i Dubaï sy Madagasikara ity Filohana vondron'orinasa ity, hoy ny fampitam-baovao. Hiroso miandalana ireo dingana fanatanterahana izany ka hapetraka ny komity ivondronan’ireo tompon’andraikitra sy tekinisianina Malagasy, ary ireo avy amin’ny orinasa Emirates, handrafetana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Emirates Airlines. Amin’ny lafiny miabo, zava-dehibe izany eo amin’ny fifandraisana ara-toekarena, ara-pizahantany satria mbola miampitapita hatramin’izay raha avy eto makany Dubaï na avy any mankaty. Amin’ny lafiny miiba kosa, tonga ao an-tsaina avy hatrany vao miresaka Dubaï ny resaka trafikana volamena avy eto Madagasikara makany amin’io firenena io. Firifiry moa ny fahatrarana volamena avy eto amintsika nokasaina haondrana hatrany ankoatra ireo tsy tratra ? Am-polo taonina fa tsy amin’ny kilao ny volamenantsika miondrana any saingy tsy hita izay tena tamberiny ka amin’ny lafiny iray dia sao hanamora na hanamorana an’io ity fanokafana sidina mivantana ity ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT