Fifamoivoizana

Fifandraisana amin’i Afrika Atsimo Niverina ny sidina fa mba ahoana ilay volamena ?


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Taorian’ny 3 taona niatoan’ny sidina Antananarivo-Johannesbourg, niverina nanomboka ny 30 janoary ny sidin’ny kaompania Airlink raha ny fampahafantarana niparitaka,

ka sidina iray isan-kerinandro isaky ny alatsinainy no niantombohany. Nanomboka omaly 14 febroary kosa, niakatra ho sidina telo isan-kerinandro ka isaky ny talata, alakamisy, ary alahady. Fiaramanidina Embraer 170 afaka mitondra mpandeha 6 ao amin’ny “classe affaires” ary 68 ao amin’ny “classe economie” no manatanteraka ny sidina. Notsipihin’ny Airlink tao amin’ny fampitam-baovaony, fa hojerena ny vahaolana mifandraika aminy amin’io sidina andavanan’andro io raha toa ka miakatra ny tinadin’ny mpanjifa. Maneho rahateo io kaompanio io, fa Antananarivo amin’ny maha Renivohitr’I Madagasikara azy dia ivo ihodinan’ny raharaha ara-toekarena sy ara-barotra. Nambara fa ny fiverenan’ny sidina Antananarivo-Johannesburg, dia ahafahana mamerina ny fifandraisana an’habakabakabaka, izay rohy ara-toekarena, ara-barotra, izay tena manan-danja be eo amin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina fa isan’ny nampitsahatra ny sidina ny covid-19, saingy heverina ihany koa fa noho ny raharaha volamena 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo ny desambra 2020. Nalaza fa nitaky sy nanenjana amin’ny hamarenana an’io ny Fanjakana ho tambin’ny fanokafana ny habakabaka amin’I Afrika Atsimo, kanefa toa ts nahitta rariny. Marihina mantsy fa na efa nisokatra hatry ny ela ny sidina tamin’ny firenena maro, dia mbola niato kosa ny tamin’I Afrika Atsimo. Nilamina ny fifanarahana momba ny sidina matoa niverina, ary tsy afaka hanao ankivy maharitra ny ara-barotra sy ara-toekarena ny fitondrana Malagasy indrindra eo anatrehan’izao efa fahantrana sy fahasahiranana izao. Fa manao ahoana kosa na izany aza ny tohin’ilay volamena nampanantenaina fa tsy maintsy ho tafaverina sa fampanantenana poakaty tahaka ny velirano maro tsy tanteraka ihany ka tsy dia misy olana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT