Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani,
miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fifandraisana ara-pitaterana mampifandray an'Antananarivo sy Toamasina. Napetraka avy hatrany ny paikady vonjy taitra hanarenana ny sidina, ny lalana, ny lalamby ary ny fotodrafitrasa an-dranomasina sy an-drenirano. Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-02 (RN2) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay niato ny fivezivezen’ny fiara teo anelanelan’Ambodibonara sy Fanandrana noho ny fiakaran’ny rano. Amin’izao fotoana izao, efa azo aleha indray ny lalana, saingy manentana ny manampahefana ny mpampiasa mba hitandrina hatrany, indrindra eo anelanelan’i Fanandrana sy Toamasina, ary hanaraka hentitra ny toromarika napetraky ny mpitandro filaminana. Mikasika ny fitaterana an’habakabaka, simba hatramin’ny 60% ny seranam-piaramanidina tao Toamasina, saingy efa mandeha kosa ny fanadiovana sy fanarenana izay ifandrimbonan’ny miaramila sy teknisianina. Efa mandeha ny ezaka hiverinanan'ny fisian'ny sidina haingana. Na dia nisy aza ny fahasimbana lehibe tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, dia voadio tanteraka ny lalan'ny fiaramanidina ary misokatra indray ny terminal ho an’ny sidina anatiny sy isam-paritra. Andrasana amin’ny faran’ny herinandro ny sidina sivily voalohany taorian’ny rivodoza, izay hanamora ny fidiran’ny fanampiana vonjy taitra sy ny fivezivezena ilaina. Mamerina tsikelikely ny fahafahan'ny sidina ny ASECNA. Mandeha ihany koa ny fanarenana ireo fotodrafitrasa hafa, mitohy ny asa fanarenana amin’ny lalamby sy ny fotodrafitrasa an-dranomasina sy an-drenirano. Mazava ho azy fa tsy dia misy olana be intsony ny fifamezivezena amin'ny RN 2 izay stratejika amin'ny lafiny toekarena satria saika avy any Toamasina ny 85% amin'ny fanafarana entana ataon'i Madagasikara na ny entana ilaina andavanandro na ny PPN, ny solika,... Tsy tokony hisy noho izany ny ahiahy sy ny fanararaotana samihafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.