Fifamoivoizana

Fifamoivoizana sy fihibohana Nitondra fanintsiana ny Minisitry ny atitany


  • Zoma 03 Aprily 2020

Miteraka adihevitra ny fepetra sasany amin’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana manoloana ny hamehana ara-pahasalamana.

 

 

Isan’izany ny resaka fitaingenana moto, izay iray ihany no afaka mitaingina izany, ka ampidinin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny iray. Ahoana izany, raha misy mpivady, hanatitra ny vadiny hiasa ilay rangahy ohatra? Sakanana sy tsy avela mifampikasoka kanefa ao an-tokantrano dia mazava ho azy fa tsy hisy elanelana iray metatra ho voahaja izany akory amin’ny maha mpivady? Ny mpitandro ny filaminana tsy te hahalala fa izay no baiko. Toa zary lasa hafahafa ihany! Tetsy ankilany, dia adihevitra be ihany koa ny resaka fanankanana ireny fiara mpitatitra entana ireny. Nisy fifanoheran-kevitra goavana tsapa aza satria lehibena mpitandro filaminana mihitsy no niteny tao amin’ny miara manonja andro vitsy izay, fa tena nanakana ireo fiara mitondra entana, ary ohatra noraisiny tamin’izany ny vato hanamboarana trano na “materiels de construction”. Afaka mivezivezy ny mpitaona entana rehetra na PPN io na inona na inona, hoy kosa ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid 19 Razafimahefa Tianarivelo. Tsy hisy kamio hivezivezy tsy amin’ny antony. Izay avy nanatitra na mbola vao haka entana, dia afaka mivezivezy malalaka. Tsy misy toerana manao fanibohona vahoaka ihany koa, raha tsy ny filoham-pirenena no manambara izany amin’ny fomba ofisialy, hoy izy.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT