FIFAMOIVOIZANA

Raikitra ny fanamafisana ny fisavana ireo moto


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Nanatanteraka fanentanana manokana tetsy amin'ny "rond point" Ankasina

dia ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na ny BAC (Brigade des Accidents de la Circulation) etsy Tsaralalana ny 26 Janoary. Noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato izay nahalasibatra olona maro indrindra fa ireo mpitondra moto no anton’izany. Ny tanjona dia ho fanairana ny sain'izy ireo mahakasika ny loza ateraky ny tsy fanarahan -dalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny tsy fahatomombanan'ny fitaovam-piarovana toy ny aro loha sns..., Ny fandehanana mafy na ny fisetrasetrana.... Noho ireo antony ireo, ankoatra ny fanehoana an-tsary ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny fizarana takelaka (flyers) dia nisy ihany koa ny fizahàna ireo tsy fahatomombanana amin'ny moto toy ny jiro, ny kodiarana, ny rétroviseur ary ireo tsy fahatomombanan'ny antontan-taratasy izay tokony tsy maintsy hita amin'ny moto. Marihana moa fa mbola fanentanana hatrany no ataon'ny BAC hatreto fa tsy mbola fanasaziana ireo izay minia tsy manara-dalàna. Mbola hitohy ny hetsika toy izao eto an-drenivohitra mba hampihenana ny tahan'ny trangana lozam- pifamoivoizana. Tsy ny moto ihany anefa no voakasiky ny fanentanana toy izao fa hisy koa ny hetsika manokana ho atao mahakasika ireo mpampiasa lalana toy ny Fiara sy ny bisikleta ary ny mpandeha an-tongotra.
Pati
Legende : Mafotaka tahaka izao ny fisavana eny an-dalana eny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT