Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Miha adala ny Malagasy


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Na amin’ny haino aman-jery na amin’ireo gazety mpiseho isan’andro , eny hatrany anaty tambajotran-tserasera toa ny facebook dia isan’andro no ahitana lozam-pifamoivoizana, tsy iray na roa fa telo aman’efatra an-tanàn-dehibe na eny amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara .

Nisy ny fotoana nanomezana tsiny ny fiara, tahaka ny sprinter hoe tsy mety amin’ny lalana eto Madagasikara, na ny hoe natao hitaterana entana ireny fa tsy hitondrana olona.Toa misy koa anefa ny fiara taksibrosy hafa marika mamono sy mandratra olona ihany ; ireo fiara be mpitondra entana na solika moa dia mifandimby mibahana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-4 ary faha-7.Ho an’Antananarivo renivohitra manokana dia tafiakatra ambony dia ambony ihany koa ny tahan’ny lozam-piamoivoizana rehefa nampitahana ny tarehimarika tato anatin’ny 5 taona farany.Tafiditra ao anatin’izany ny moto, ny fiaran’olon-tsotra , ny taksibe ary ny fiara vaventy.sady simba ny fiara sy ny foto-drafitrasa tahaka ny andrin-jiro, tamboho, trano..fa ny tena loza dia mamono olona sy mamela takaitra ireny lozam-pifamoivoizana ireny.Ekena fa eo ny mety fahateren’ny lalana, ny tsy fahatomombanan’ny fiara, ny mety tsy fahampian’ny takelaby fampahafantarana eny amin’ny lalana, saingy rehefa fehezina ny tranga rehetra dia ny adalan’olombelona no mahatonga ny 90% n’ny lozam-pifamoivoizana.Ny olona no tsy mahavatra na tsy mazoto hanamarina ny lafiny ara-teknika amin’ny fiara ampiasainy ; ny olona no maika amin’ny tombom-barotra ka manao taingim-be na mitondra entana mihoatra lavitra amin’ny tokony entin’ilay fiara.Mbola ny olona ihany no tsy rototra sy tsy miraika amin’ny fanaovana aro loha ho an’ny moto sy fametrahana ny fehikibo aro loza anaty fiara.Mila hentitra kokoa noho izany ny kaominina isan’isany sy ny ministeran’ny fitaterana ary ny mpitandro filaminana amin’ny fitsirihana sy fanarahamaso ary ny fampianarana ny olona fa tena ilaina ny manaja ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana. Maro ny fandaminana tsy maintsy tanterahana satria eto be loatra ilay gaboraraka amin’ity sehatry ny fifamoivoizana ity ; ary misy mihitsy ny mpisehatra amin’azy io no tsy mahafantatra akory ny asa aman’andraikiny araka ny ambaran’ny lalàna ka mila fanitsiana..raha toa ka mbola misy mpitantana ihany eto e !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT