FIFAMOIVOIZANA MIANAVARATRA

Nisy fiatoana omaly vokatry ny haratsian-dalana


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Niato noho ny haratsian-dalana eo Ampampamena,

08 Km tsy hidirana ny tanànan’i Mampikony omaly raha avy any Avaratra ny fifamoivoizana hiazo an’Antananarivo. Vokatry ny haratsian-dalana ateraky ny ora-mikija tato ho ato no antony mahatonga izany. Efa ho ora roa omaly no nihitsoka teo amin’io tanana io ny fiara rehetra. Nanampy trotraka izany ny fisian’ny kamiao lehibe iray nibahan-dalana teo Mampikony raha avy any atsimo hoy ny vaovao. Tsy maintsy nandoavam-bola 5 000Ar isan’olona ny fibatana io kamiao io noho izany vao nalalaka ny lalana. Notsindrian’ireo mpampiasa lalana moa fa na avy any atsimo na avy any avaratra dia tsy misy azo raisina ny lalam-pirenena fahaenina mampitohy an’Ambondromamy sy Antsohihy ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana maika. Olona an’arivony isan’andro mantsy no mivelona sy mamelona ny ankohonany amin’ny fampiasana iny lalana iny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny haratsian-dalana any amin’ny RN 6 !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT