Fifamoivoizana

Fifamoivoizana mandritra ny fialan-tsasatra Tsy tokony handeha mihoatra ny 75km isan’ora!


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Tena feno fiara fitateram-bahoaka sy olona mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao.

Toraka izany ihany koa ny eto Antananarivo renivohitra izay hanomboka handray ireo vahiny avy any amin’ny faritra hanatrika ny fankalazana ilay andro manerantany ho an’ny ankizy izay hotontosain’ireo ankizy katolika, manomboka anio Alarobia 26 Jolay, haharitra 4 andro. Ankizy avy any amin’ny faritra an-jatony no ho avy handray anjara amin’izany izay nisy nanofa fiara ny fikambanana misy azy raha nisy ihany koa ireo nandeha taxi-brousse. Misarika ny sain’ny rehetra mba hanara-dalana araka izany ny foibe fitsarana fiarakodia, ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena hisorohana ny loza mety hitranga. Nambaran’izy ireo fa ny fiara efa natokana hitanterana olona ihany no tokony hitondrana olona. Tsy azo atao hoy izy ireo ny mitatitra olona amin’ny fiara mpitatitra entana na fiara hafa tsy natokana ho amin’izany.Tsy maintsy mandalo fitsirihana manokana na visite technique speciale (VTS) avokoa ireo fiara mitatitra olona ivelan’ny faritra hiasany mahazatra, na dia mbola manana “visite technique”manankery aza mialohan’ny hiaingany ka ahazoana ny fahazoan-dalana manokana. Toy izany koa rehefa miverina ireo fiara. Tsy azo atao ny manao dona miverina, hajaina ihany koa ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana (Code de la route) sy ny hafangainam- pandeha ho an’ireo fiara rehetra izay voafetra ho 75 km/isan’ora ho an’ny fiara mpitatitra olona, indrindra ho an’ireo mpampiasa kodiaran-droa. Tsy maintsy manana mpamily fanampiny ny fiara iray raha mihoatra ny 400km ny halaviran-dalana raha tsy mihoatra ny 80sm ihany koa haavon’ny entana hoentina.
Pati
Legende : Mety hitera-doza ihany koa ny haavon’ny entana eny ambonin’ny fiara diso tafahoatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT