Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Mampikolay sahady ny fitohanana


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tena nampikolay ny maro sahady omaly alarobia andro voalohany niasan’ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fitohanana. Toerana maro no nahitana izany toy ny teny Anosizato…

 

 

Mba hahafahana misoroka izany ary dia fantatra fa hijery ny lesoka ka hanara-maso akaiky izany ny polisim-pirenena. Ireo karazam-pitaovana azon’izy ireo tamin’ny fetin’ny fahaleovantena teo toy ny moto 100 isa, ny radio hifandraisana….no hampiasain’izy ireo amin’izany ka hisy mihitsy ny fametrahana brigade mobile izay hivondronana polisy mitondra moto marobe. Raha misy lalana ahitana fitohanana araka izany dia miezaka mitaingina moto mijery izay tena fototry ny olana ny polisy iray, asa hatao ao anatin’ny fotoana fohy. Ankoatra izay dia hampitomboina ihany koa ny polisy miasa amin’ny toerana misy fitohanana raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanatevenana ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT