Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Ho tapaka ny lalana eny Analakely anio


  • Talata 17 Novambra 2020

Tapaka ny fifamoivoizan`ny fiara rehetra tsy an-kanavaka amin`ny lalana Andrianampoinimerina, manomboka eo amin`ny tranombarotra Samcova ka hatreo amin`ny fihaonany amin`ny lalana Radama I,

 

  sy amin`ny lalana Andriamasinavalona manomboka amin` ny fidirana eo amin`ny Parvis an’ny lapan’ny Tanàna Analakely ka hatreo amin`ny Shotrpite anio manomboka amin`ny roa ora tolakandro ka mandram-pahatapitry ny hetsika fampitàna mivantana  ny lalao baolina kitra ifanandrinan` ny Barean`i Madagasikara sy ny Elefantan` i Cote d`Ivoire. Torak`izany koa ireo lalana James Andrianisa Analakely, manomboka eo amin`ny fihaonany amin`ny lalana Mbizo Analakely Ambatomena ka hatreo amin`ny fihaonany amin`ny lalana Rabeazavana Analakely; lalana Radama I manomboka eo amin`ny fihaonany amin`ny Araben`ny fahaleovantena ka hatreo amin`ny fihaonany amin`ny Rabeazavana Analakely; Araben`ny fahaleovantena manomboka eo amin`ny IFM ka hatreo amin`ny SARAFI; lalana Andrianampoinimerina, manomboka eo amin`ny tranombarotra NAZA ka hatreo amin`ny SAMCOVA, dia ho tapaka ny fifamoivoizana manomboka amin`ny 3 ora tolakandro araka ny naoty lah. 1102-CUA/M/AM/DUDTMU/2020 navoakan`ny Kaominina Antananrivo Renivohitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT