Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara WWT


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Misy fiara “bonne occasion” miafina anaty taratasy tsy ara-dalàna ka mampiasa ireny « attestation provisoire de circuler » avy amin` ny mpitandro filaminana sy ireo mampiasa laharana « WWT » fa hoe fiara amidy nefa fiara efa manana laharana gasy na fiara tsy vaovao akory,

 

hoy ny teo anivon` ny Foibe fitsarana fiarakodia (Direction Générale de la Sécurité routière). Mangataka fiaraha-miasa amin` ny mpitandro filaminana miasa eny an-dalana amin’ny fanaraha-maso ireo fandikan-dalana ireo ny DGSR satria dia betsaka ny volam-panjakana very sy tsy tafiditra ary manentanana ireo tompona fiara manao izany hiverina amin` ny ara-dalana. Marihina fa tsy afaka mankany any amin` ny “Centre Immatriculateur” (CIM) hanao “carte grise” raha tsy mandalo fandraisana ara-teknika na “récéption technique” any amin` ny Foibe fitsarana fiarakodia ireny fiara ireny. Mety hisy ihany koa ny fitakiana ny « reçu” nanaovana réception technique ho fanamarinana amin` ny fitsirihana ara-teknika voalohany an’ilay fiara ka mety eny andalana eny io.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT