Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara manetroka be


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso manokana ireo fiara mifamoivoy eny an-dalambe mamoaka setroka mihoapampana sy diso tafahoatra ny foibe fitsarana fiarakodia manomboka izao.

Ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina no anton’izany. Miantso ireo mpampiasa lalana rehetra, indrindra fa ireo tsara sitrapo hifanolo-tanana aminy araka izany ny foibe fitsarana fiarakodia. Toraka izany koa ireo tompona fiara mba hikolokolo ny fananany. Raha mahita tranga mahakasika fiara iray ahiana hitera-doza na ratsy endrika na misy fiara mifamoivoy ka manetroka setroka mihoampampana sy diso tafahoatra araka izany ny olona iray dia afaka miantso avy hatrany ireto laharam-pinday ireto dia ny 034 79 050 12 sy ny 034 79 050 12. Afaka mandefa hafatra miafina ao amin’ny pejin’ny DGSR ihany koa moa izay afaka manao izany miaraka amin’ny laharan’ilay fiara sy ny toerana nahitan’ilay olona izany. Raisin’ny DGSR ho tsiambarantelo moa ny mombamomba ireo mpanome vaovao. Pati Legende : Betsaka ireo fiara mamoaka setrokabe eny an-dalambe amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT