Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Ho avy indray ny fanasaziana ny fiara “vitres fumées”


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Nohamafisina fa tsy azo ampiasaina ary raràna mafy manerana ny Nosy ny fampiasana ny fiara matroka fitaratra na “vitres fumées” na “non tranparentes”

izay asiana ireny antsoina hoe: “film” sy “péllicule” ireny, araka ny tenimita na “circulaire” laharana 002/MTM/SG/DGTT/DPSAR navoakan’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly 16 febroary 2022. Nambara fa ho fampiharana ny voalazan’ny didim-panjakana n°71-138 tamin’ny 23 martsa 1971 mikasika ny polisy misahana ny fifamoivoizana io. Eo ihany koa ny lalàna n°11825/2007 tamin’ny 16 jolay 2007 mikasika ny fepetra samihafa ahafaha-manatsara ny filaminan’ny mpamily sy ny mpandeha manerana ny tanin’ny reepoblikan’i Madagasikara. Eo ihany koa ny fepetra eo anatrehan’ny fitomboan’ny trangana tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Ny lehibena andrim-panjakana, Parlemantera,, mpikamban’ny governemanta, solontena ara-diplaomatika, manamboninahitra ambony am-perin’asa, tompon’andraikitra voalohan’ny faritra sy ny mpanatanteraka eo anivon’ny faritany ihany no voalaza fa afaka mampiasa izany. Noho izany, mila mangarahara avokoa ny fitaratry ny fiara. Ireo “vitres teintées” matroka izay efa avy any amin’ny mpamokatra ny fiara ihany azo ampiasaina, saingy mbola aorian’ny fandraisana ara-teknika ataon’ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière) izay miadidy ny filaminan’ny fifamoivoizana. Ny Minisitry misahana ny fitaterana ihany no hany manampahefana mahefa afaka mamoaka fahazoan-dàlana hampiasa fiara “vitres fumées”, hoy ny fampitam-baovao. Efa ela ity resaka fandrarana ity, saingy eto Madagasikara ny lalàna toa natao havoaka fa tsy arahina. Ny fanaraha-maso ny fanantanterahana moa goragora, hainam-pirehitra toy ny afo-mololo fa mora levona. Ankoatra io, tsikaritra ho mivelatra loatra ireo lisitra manampahefana afaka mampiasa ny fiara mainty fitaratra io. Tena voafehy ve anefa hoe: izy ireo ihany no mampiasa ilay fiara? Matetika lasa ampiasain’olon-kafa amina asa ratsy. Raha tarafina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, ny manana fahefana sy seza no tena tompondakan’ny afera maizina, saingy mbola velarina be ihany ny fanomezana tombondahiny amin’io resaka fampiasana ity karazana fiara ity io. Tsy azo ferana amin’ny hoe: Filoha, Praiminisitra, Filohana andrim-panjakana, minisitra, ary diplaomaty ve ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT