Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Hifampitaiza ireo mpitondra scooter


  • Zoma 22 Desambra 2017

Tonga tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ireo tanora maro mpitaingina moto ny marainan’ny alakamisy 21 desambra 2017 ho fanohizana ny hetsika notanterahan’ny Boriborintany faha-6.


Nanomboka nanangana fikambanan’ny tanora mpitondra moto scooter izay eo ambany fiahian’ny Delegen’ny boriborintany faha-6 izy ireo. Ny tanjona dia ny hanentana ireo mpitondra moto maro hitandrina eo am-pamiliana. Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna Marc Ravalomanana ny fitandremana, voalohany, satria lahy tokana ny aina. Mety indrindra izao hetsika izao hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, tahaka ny hitany tany Cambodge sy Thaïlande ary ireo firenena maro tany ivelany farany teo.

Mankasitraka ny fikambanana tahaka izao ny ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana satria ilain’ny tanora ny fifaliana maneho fifankatiavana ary ny fampivondronana azy ireo ka nohamafisiny hatrany ny fitandremana sy ny fahaiza-miaina eny amin’ny arabe izay ifamoivoizan’ny olona maro. Nirary soa koa ny tenany amin’ny fahatongavan’ny noely sy ny taona vaovao 2018. Hitety faritra maro ity fikambanana vao niorina ity, hanohy ny ezaka fanentanana eo amin’ny familiana Scooter, hanome fahalalàna ihany koa amin’ny fikojakojana ity kodiaran-droa ity.

Taorian’ny fihaonana sy toromarika nomen’ny raiamandreny Marc Ravalomanana mivady dia nisy ny fanolorana fialana hetaheta avy amin’izy mivady ho an’ireto tanora marobe ireto.

 

Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT