Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Haverina sy hohatsaraina ny “PR”


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Nivory tsy ara-potoana ireo lehiben'ny kaomisarian’ny Polisy omaly alahady takarika mahakasika ny famerenana ny “Police de la Route” na ny PR.

 

 

Tsy mitandro hasasarana ny polisim-pirenena mitady ny hevitra rehetra hanatsarana ny fomba fiasa, raha ny tatitra. Araka izany dia hisy ny fiovan'ny fomba fiasa vaovao ho an'ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana izay hampafantarina antsika rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono isika mpampiasa lalana, hoy ny fanazavana. Tany amin’ny volana febroary moa no nisy fampiatoana ny PR, izay niteraka adihevitra maro teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Somary nisy mihitsy ny lonilony teo amin’ny polisy sy ny mpitondra satria nisy ihany koa tamin’izany fotoana ny fanatsoahana tamin’ny polisy ny fanamboarana pasipaoro. Rehefa nandeha ny fizarana fiara ho an’ny mpitandro ny filaminana, dia saika ity rantsan’ny mpitandro filaminana ity avokoa no nahazo ireo fiara mandany be mandeha lasantsy. Tsy misy azo hamaivanina ny asan’ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny, saingy izy ireo no tena miady mafy sy mifampitandro amin’ny jiolahy ho an’ny tanàn-dehibe, izay tena mahazo laka ankehitriny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT