Toa samy manao izay saim-patany ny rehetra amin’ny resaka fifamoivoizana ka tsy mahagaga raha mahazo vahana ny fitohanana eto Antananarivo.
Toa boriborian’ny fiarahamonina amin’ny fiainana efa sarotra ny raharaha, ka tsy hisy hanaiky fehezin’ny lalàna izany intsony. Nisy, ohatra, ny lalàna mametra ny ora hahafahan’ny sarety sy ny posy hivezivezy eto Antananarivo amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 6 ora maraina. Hita amin’ny ora rehetra anefa izy ireny ankehitriny. Mipetraka foana ny lalàna, saingy mbola maro ny minia mandika azy. Eo am-pitadiavana ny fomba hampahomby tanteraka ny fampiharana lalàna tsy hisian’ny gaboraraka ny kaominina, hoy ny talen'ny fitaterana Raveloson Landy. Ny mahagaga amin’ity toe-javatra ity, dia tazanin’ny polisy fotsiny ireny mpitarika posy sy sarety tarihin’omby manembantsembana ny fifamoivoizana ireny, toy ny eny amin’ny tetezan’Ampasika. Natao ho an’ny taksibe ihany ve ny sazy ? Efa voafaritra ho amin’ny 9 alina hatramin’ny 5 ora maraina ny hahafahan’ny fiarabe mihoatra ny 16 taonina miditra eto an-drenivohitra, saingy maro no tsy manaja azy io. Ahitana matetika izany amin’iny lalana miditra eto Antananarivo eny Mahazo iny. Matoa mbola tafiditra eto, dia misy antony ao, toy ny tsolotra na kolikoly. Tsy sanatria natao hanilihana vondron’olona amin’ny fitadiavany fa ny fandaminana sy ny lalàna matoa natao dia ny tombontsoan’ny besinimaro no katsahina. Antony lehibe tsy mampandroso sy mampikorontana antsika ity aleo hihafiana eo aloha na dia efa misy izao aza ny lalàna velona. Mila fahatongavan-tsain’ny rehetra io, ka tsy andrasana sy arahi-maso toy ny biby vao hanara-dalàna sy fitsipika. Mila mitia filaminana sy firindrana fa tsy zatra miaina anaty korotan-dava. Zavatra tsotra kely hahafahana manafoana ny mpivarotra amoron-dàlana, ohatra, ny misafidy mandeha any amin’ny mpivarotra ara-dalàna hatrany, saingy sarotra ho an’ny Malagasy izany. Aleo tsy manonofy fandrosoana sy manakiana lava ny mpitondra aloha fa mandini-tena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.