FIFAMOIVOIZANA

Fanarahan-dalàna, fifandaminana, fifanajana no vahaolana


  • Talata 11 Novambra 2025

Maro ireo sosotra sy nimenomenona

omaly maraina fa tratra atoandro teny amin’ny manodidinany tetezan’Anosizato teny. Nikatso tanteraka ny fifamoivoizana, sahirana hatramin’ny mpandeha an-tongotra satria nitokona sy nibahana ny arabe ireo mpampiasa lalana milaza fa iharan’ny tsy rariny dia ny taksibe, posy, bisikileta, moto. Nambaran’izy ireo fa « double » miangatra no misy eo Anosizato satria ireo miakatra foana no alefan’ny mpitandro filaminana ary tena mandeha maharitra.Ny miakatra tenenina eto dia ny avy any Ampitatafika mihazo an’Anosizato sy Anosibe iny izany. Ela loatra hoy izy ireo, samy mba maika hiasa, hamonjy birao sy fianarana ihany ka nahoana no ny avy any andrefana foana no omen-danja.
MILA MANARA-DALÀNA
Nivoaka amin’izay avy eo ny karazana fanehoan-kevitra, fa raha dinihina amin’ny fo tony sy saina tsy miangatra dia diso ihany ilay adihevitra fa ny tena izy dia hoe : ny fitohanan’ny fifamoivoizana io dia misy amin’ireo tanàn-dehibe rehetra maneran-tany fatsy eto Antananarivo ihany ; mila manaja lalana sy fitsipipa, manaraka ny fifandaminana ary mifanaja ny samy mpampiasa lalana. Izay no vahaolana. Mandrindra ny zava-drehetra ny polisy sy zandary. Mazava ho azy sarotsarotra kely ny raharaha raha toa ka feno mpivarotra ny sisin-dalana ka any anaty arabe no feno mpandeha an-tongotra ; ho sarotra io raha mbola misongona avy any ankavanana ny moto sy bisikileta ; ho sarotra io raha mandeha amin’izay ora tiany ireo fiara be ; ho sarotra io raha manao izay maha diavolana ny sainy ny posy sy sarety entin-tanana.Tsy maintsy misy fandaminana sy fitsipiaka hajain’ny rehetra dia mivaha ny olana. Fa na atao midadasika be tahaka ny kianja filalaovam-baolina aza ny arabe rehefa samy manao izya tiany ny mpampiasa azy dia hitohana foana ny fifamoivoizana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT