Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra Tsy maintsy manana fahazoan-dalana ireo fiara lehibe


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Tsy mahate hitondra fiara intsony eto Antananarivo, hoy ny ankamaroan`ireo manana fiarakodia noho ny habetsahan'ny fiara mivezivezy eto an-drenivohitra fotsiny miampy ireo fahasimban-dalana, indrindra amin'izao vanim-potoana fahavaratra izao.

 

 

 

Matetika ihany koa anefa mahita ireo fiara lehibe mandeha amin'ny antoandro. Tsy kamio mpamatsy solika ireo kanefa efa misy ora natokana ho amin'izay. Mitohy hatrany ny ezaky ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba hametrahana ireo fototry ny fampandrosoana iraisan’ny rehetra sy matanjaka. Araka izany, tsy maintsy manana fahazoan-dalana mivezivezy ka voakasika ireo fiara lehibe rehetra. Tsy maintsy manao fangatahana momba ny zavatra hotaterina, lalana handehanana ka maharitra dimy andro ny fahazoan-dàlana manokana. Miankina amin`ny lanjan`ny fiara lehibe iray ny vola aloa eo anivon`ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo fiarabe milanja 3,5-5,999 taonina dia 10 000 ariary. 6-8,999T, 15 000 ariary. 20 000 ariary kosa ireo fiara be 9-15,999 T. Ny fiarabe 16-24,999T dia mandoa 35 000 ariary. Ireo fiara vaventy milanja 25T mihoatra dia mandoa sarany 50 000 ariary. Mba ahafahana misoroka ihany koa ny gaboraraka, indrindra amin`ireo entana miditra sy mivoaka eto Antananarivo dia tsy maintsy manana fahazoan-dalana hampidina sy hampiakatra entana koa, voakasika ireo mpanatitra entana rehetra. Mitentina 30 000 Ar isam-bolana ny fahazoan-dalana mitatitra entana. Hentitra ny tompon’andraikitra, indrindra eo amin`ireo fiara mivezivezy eto Antananarivo. Mila miomana ny rehetra mba tsy hotampohin`ny fisavana ataon`ny tompon’andraikitra. Natao izany handrindrana ny fifamoivoizana sy ho fanarahan-dalàna. Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manatona ny varavarana faha-36 ao amin`ny Lapan`ny tanàna Analakely. Ny fanarahana ny fenitra dia ahafahana manatsara ireo fototry ny dingan’ny fampandrosoana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT