Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eto Antananarivo Aiza avy ireo vahaolana nodradradradraina?


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Mbola ao anatin` ny ankatoky ny fetin` ny faran` ny taona isika. Niara nahita sy niainana ny

 

 

 

ny fifamoivoizana mialohan` ny fetin` ny krismasy. Nifanaretsaka izaitsizy ny olona, nitohana be ihany koa ny fifamoivoizana, nilaharana ny taxi-be tetsy sy teroa… Raha tsiahivina dia nitarika fivoriana ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny hôtel du commissariat central de police teny Tsaralalàna izay natao ny 30 desambra 2019. Ny fitohanana lavareny misy eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, izay ateraky ny fanamboaran-dàlana sy ny fomba fampiasana ny lalana no namoriana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasik’izany. Nahafahana namaritra ireo olana sy ireo antony mitarika izany fitohanana izany ary nitondrana ireo vahaolana mifanaraka amin’izany. Maro ireo vahaolana nivoitra nandritra izany fivoriana izany toy ny fananganana komity maromaro ho fanamorana ny fandrindrana ny fampiasana ny lalana, ka hisy ny fijerena toerana hametrahana parking vonjimaika hisorohana ny fijanonan’ny fiara eny rehetra eny; Ny fiaraha-miasa eo amin’ny OTME sy ireo mpitandro ny filaminana mandrindra ny fifamoivoizana amin’ny fampiasana ireo camera de surveillance izay efa misy sy ny fijerena ireo toerana mbola tokony hasiana izany; Ho fisorohana ny fisian’ny fiara maty etsy sy eroa, dia hohamafisina ny fanaraha-maso azy ireny rehefa avy mandalo fitsirihana ara-teknika na ny visite technique ny fiara ; Haverina ny “police de la route” ka ho dinihina miaraka amin’izany ny fakana lamandy amin’ireo fiara miditra fourrière sy ny fakana ny taratasin’ny fiara sy ny mpamily tsy manara-dalàna ; Ho an`ireo fiara fitateram-bahoaka dia efa misy ny GPS apetraka azy ireny; hanao hetsika manokana “operation spécifique” ny avy ao amin’ny polisy nasionaly sy ny zandarimariam-pirenena mba hampizotra ny fifamoivoizana araky ny tokony ho izy, sns…. Andro sisa no isaina dia ho feno herintaona ihany izany fivoriana izany. Kanefa toa tsy nahitam-bokatra akory ireo vahaolana naroso. Midika ve izany fa mila manoman-tsaina ny tsirairay hiatrika indray ny fitohanana mandritra ity herinandro vaovao ity? Marihana fa efa fantatra ireo olana izay miverimberina isan-taona saingy toa odian-tsy hita izany ny herinandro lasa teo. Legende: Nandritra ny fivoriana notarihan` ny praiminisitra Ntsay ny 30 desambra 2019 momba ny fifamoivoizana eto Antananarivo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT