Fifamoivoizana eto Analamanga

Ny lalana miha tery, ny fitaovam-pitaterana mitombo


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Eto Antananarivo renivohitra moa izany izao dia ahitana ireo kodiaran-droa na «taxi-moto»,

ny bisikileta mikarama mitondra olona na koa hoe «taxi-bicyclette», ny taksibe, ny fiarakaretsaka na «taxi» sy ireo karazam-piara sy fiarabe maro samihafa fampiasan’ireo olon-tsotra. Ny teleferika koa io miantona io. Asa na hiainga, araka ny fanitsiana nataon’ny sekreteram-panjakana misahana azy, ihany amin’ny fiandohan’io taona 2025 io. Any amin’ireo kaominina manodidina, izay ato anatin’ny faritra Analamanga ihany koa, ankoatran’ireo izay efa voatanisa teto, toa an’Analasora, Andoharanofotsy, Itaosy, Ambavahaditoka, Antsirabe sy ny maro hafa indray dia mbola misy koa ny posy, ny Bajaj fitateram-bahoaka, ny «Taxi-bajaj», ny «cyclo-pousse» na posy tarihina amin’ny bisikileta. Ny lalana miha tery, raha fehezina, ny fitaovam-pitaterana mitombo, raha ny fifamoivoizana eto Analamanga sy ny manodidina azy hatrany no resaka.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT