Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eto an-drenivohitra Novelomina ireo “Marquage au sol”


  • Alakamisy 06 Jolay 2017

Novelomin’ny kaominina Antananarivo ireo mari-pamantarana mandry amin’ny arabe na « Marquage au sol » sasantsasany eo anivon’ny fari-piadidiana ny tanànan’Antananarivo mba hanamorana ny fandaminana ny fifamoivoizana.

 Nosantarina tamin’ny talata 4 jolay teny amin’ny fiantsonan’ny taksibe eny ambonin’ny tetezan’i  Behoririka ny asa fanajariana, izay notontosain’ny ekipan’ny DTP (Direction des Travaux Publics), DTMU (Direction Technique et Mobilité Urbaine). Hitohy eny Ankadifotsy, Vohibola ary hofaranana eny Analamahitsy ny asa. Niara-nisalahy tamin’ny kaominina ny IMV (Institut des Metiers de la Ville), izay nanolotra fitaovana maro toy ny loko, fitaovam-pandokoana, fitafiana manokana ho an’ireo manao ny asa. Na misy aza ezaka ataon’ny kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka aminy amin’izao asa fanatsarana ny tontolon’ny fifamoivoizana izao, dia mandeha ila ihany raha mbola misy foana ny tsy fanarahan-dalàna. Zava-dehibe ny fiezahan’ny rehetra manaja ny lamina napetraka satria zava-poana ihany ny fanajariana natao sy mbola hatao raha samy hanao izay saim-patany hatrany ny mpitondra fiara, ny mpandeha an-tongotra, ny mpivarotra. Tsy vitan’ny kaominina samirery ny fanarenana ny renivohitra fa tompon’andraikitra avokoa ny isam-batan’olona.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT