Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eto an-drenivohitra Maro ireo sarety tratra tsy nanara-dalàna


  • Talata 19 Mey 2020

Niroso tamin’ny fampanarahan-dalàna ireo sarety mivezivezy eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo renivohitra,omaly. Lohalaharana tamin’izany ny sarety.

 

 

 Omaly tapak’andro maraina monja dia sarety tsy manara-dalàna marobe no tratran’ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena mbola niasa tamin’ny tokony hanaovany izany intsony. Nosaziana avy hatrany izy ireo. Raha araka ny fanazavan’ny kaominina Antananarivo renivohira dia ny sarety no anisan’ny mitarika fitohanan’ny fifamoivoizana goavana indrindra eto an-drenivohitra. Hatramin’ilay fe-potoana fialana tsikelikely amin’ny fihibohana mantsy, dia niverina ihany koa ny fitohanana raha vantany vao niasa izy ireny. Tsy izy ireo ihany fa nampidirina forrière avy hatrany koa ireo fiara miantsona an-tsisin-dalana izay tsy nanara-dalàna nanomboka omaly. Nantitranterin’ny kaominina kosa fa alohan’ny amin’ny 7ora maraina ; eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora hatramin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora hariva no ora fivezivezen’ny sarety ho an’ny eto an-drenivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT