Fifamoivoizana

Fifamoivoizana eo Andohan'Analakely Hametrahana rond point vaovao eo akaikin'ny Super Music


  • Zoma 13 Mey 2022

Hiroso amin'ny fandaminana ny fifamoivoizana eo Andohan'Analakely sy ny manodidina ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Zavatra maro loha no hasiam-panovana mandritra izany, andrana izay hatomboka amin'ny alahady 22 mey ho avy izao. Raha araka ny fantatra dia hofoanana ny toby fiantsonan'ny taxibe eo Andohan'Analakely fa hafindra ao ambadiky ny pavillon. Hofoanana ny fifanenana manoloana ny ritz sy ny toby fiantsonan'ny taxibe 119 eny Ambohijatovo. Ankoatra ireo dia tsy maintsy miodina ilay rond point vaovao eo Analakely ireo fiara rehetra avy any Ambohijatovo hiazo an'Anosy. Tsy maintsy miakatra any amin'ny Rex kosa ireo fiara hiazo an' Antaninarenina ary miazo ny tonelina Ambohidahy raha hiazo an'Anosy. Ho an'ireo fiara hiazo an'Ambatonakanga sy Faravohitra kosa dia tsy maintsy mandalo ny college de France izy ireny no mandalo ny planète Ambohijatovo ihany koa. Tsy maintsy mandalo ao ambadiky ny ministeran'ny fitsarana kosa ireo fiara avy any Faravohitra sy Ambondrona ary mampiasa ilay rond point vaovao raha hiazo an'Analakely.Ny mba hahafahana miady amin'ny fitohanana no tanjon'ny kaominina. Asa anefa raha hampirindra ny fifamoivoizana tokoa ity tetikasa ity na tsia. Ho an'ny Antanimena Ankorondrano mantsy izao dia tena nandaniana volabe tokoa nefa tsy hita izay tena tombontsoa azo avy aminy.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT