FIFAMOIVOIZANA ENY ALASORA

Hampiasa « taquet d’arrêt » ny kaominina


  • Zoma 09 Febroary 2024

Anisan’ny lalana tena tery nefa tsy maintsy hifanenan’ny

fiara roa samihafa ny lalana miazo ny tampon-tananan’Alasora, distrikan’Avaradrano. Ny mahavariana anefa raha ny zavatra hita eny an-toerana dia mbola misy amin’ireo mpamily fiara sasany ihany no manajanona fahatany ny fiarany eny amin’izay toerana tiany rehetra eny. Vao mainka mihatery ny lalana vokatr’izany ary ahiana hitera-doza mihitsy indrindra fa amin’ny fotoana firavana sy fidiran’ny mpianatra. Mba ho fifampitaizana ary dia fantatra fa hampiasa taquet d’arret ny kaominina Alasora manomboka amin’ireo herinandro ho avy io ho an’ireo fiara tsy manara-dalana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Na izany aza dia efa nanomboka tamin’ity herinandro ity kosa ny fametrahana ireo karazana fitaovana kely fampahafantarana izany na ny panneaux de signalisation ho an’ireo toerana tsy azo hijanona rehetra hahafantaran’ireo mpamily fiara ny tokony hataony. Tanjona ny hisian’ny fifampitaizana eo amin’ny mpampiasa lalana sy ny kaominina raha eo ihany koa ny fiarovana ny aim-bahoaka. Mahatratra 10 isan’andro mantsy ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Pati
Legende : Tahaka ity amin’ny sary ity ilay fitaovana hapetaka amin’ny kodiaran’ireo fiara mijanonjanona fahatany eny amin’ny lalana miazo an’Alasora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT