Sesilany ny lozam-pifamovoizana tato ho ato ary ny mpitondra “moto” no tena sendra ny loza. Raha tamin` ity farany herinandro ity dia niisa telo ny loza vokatry ny fandehanana mafy teny amin` ny lalàm-pirenena voalohany ary maty avokoa ireo mpamily “moto”.
Ny marainan` ny zoma teo, moto roa no nifandona teny Ambatomirahavavy ka maty tsy tra-drano ny iray tamin` ireo mpamily. Ny hariva ihany dia tovolahy iray 25 taona no nirifatra tamin` ny andrin` ireny “panneaux publicitaires” ireny teo Ampihaviana Fenoarivo ary maty teo no ho eo ihany koa. Fantatra fa nisy olana ny “accelerateur” ilay moto ka izay no nahatonga ny loza. Ny sabotsy lasa teo dia tany Imerintsiatosika indray no nisy mpitondra moto namoy ny ainy noho ny fandehanana mafy. Mila mitandrina sy manaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ny mpitondra “moto” ankehitriny fa efa miha maro loatra ireo namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.