FIFAMOIVOIZANA AO ALASORA

120000Ar ny sazin’izay tratry ny « taquet d’arrêt »


  • Zoma 22 Mey 2026

Miezaka araka izay azo atao ny

Kaominina Alasora amin’ny fanitarana lalana sy fametrahana panneaux de signalisation amin’ireo toerana tsy azo ijanonana. Mbola maro hatrany anefa no tsy manaraka ny fandaminana napetraka. Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny SMGD CUA dia efa nisy ny fampiofanana ny Polisy Kaominaly amin’ny fampiasana ny taquet d'arrêt , mba hampanjakana bebe kokoa ny filaminana sy ny fanarahan-dalàna eny an-dalana. Manentana ny rehetra mba hanaja ny fandaminana sy tsy hijanona amin’ny toerana voarara noho izany izy ireo. Ampy izay ny fampitandremana sy ny fanabeazana hoy ny tompon'andraikitra. Ho avy ny taquet d'arrêt hoy ny tompon'andraikitra. 120.000 Ar ny sazy ho an’izay tratra mandika lalàna. Nihatra nanomboka omaly io fanasaziana io.
Pati
Légende : Ho avy amin'izay ny fanasaziana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT