Fifamoivoizana

Fifamoivoizana Anosizato sy Ampasika Miverina indray ny fitohanana lavareny


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Misedra olana indray ireo mponina avy any Fenoarivo sy ny manodidina ankehitriny noho ny fiverenan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy Anosizato.

 

 Toraka izany koa ny mponin’Itaosy izay voatery mandeha dia an-tongotra 30 ka hatramin’ny 45 minitra isa-maraina mihitsy miala avy any an-tokantranony mivoaka ny tetezan’Ampasika. Taorian’ny fetin’ny Paska lasa teo no tena nahitana taratra izany izay manosika ny sasany hifoha amin’ny 4 ora maraina mihitsy rehefa tsy te-handeha an-tongotra. Antony mahatonga ity fitohanana ity ho an’Anosizato manokana raha araka ny fanadihadiana natao ny tsy fisokafan’ny lalana mandalo ny biraon’ny kaominina indraindray, manampy ireo fiara avy any Ampitatafika sy Fenoarivo mivoaka eny Anosizato. Toraka izany koa ny fisian’ireo karazana fiara mibahana eny amin’ny sisin-dalana arahin’ny tsy fahaizan’ireo mpamily sasany sy ny hafitsoky ny môtô. Ho an’Itaosy kosa indray dia hatramin’ny tsy nisian’ireo polisy mpianatr’asa nandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana no nampahazo vahana tanteraka ny fitohanana. Samy manao izay saim-pantany avokoa mantsy ireo mpamily, indrindra fa ireo taksibe izay mijanona etsy sy eroa ka mitarika fitohanana eny an-dalana. Antso avo, araka izany, no hatao amin’ny tompon’andraikitra mikasika ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’ireo toerana roa ireo. Toraka izany koa ny polisy misahana izany izay nanjary tsy dia hita intsony taorian’ny nankalazana ny fetin’ny Paska.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT