Fifamoivoizana

Fifamoivoizana ana habakabaka Lanitra tokana ho an’i Afrika


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Nisokatra ny sabotsy teo teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivorian’ny minisitra ao anatin’ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana sy ny fandriampahalemana ana habakabaka aty Afrika (ASECNA).

Nanokatra ny hetsika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Malahafaly Solondrasana Olivier, izay nilaza fa matoa ny olona misafidy an’i Madagasikara dia misy ny fitokisana ary misy ny fiverenan’ny Malagasy ao anatin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy mandeha ila ny fivoriana toy itony fa misy zavatra be dia be manodidina azy, toy ny resaka fizahantany satria rehefa azo antoka ny sidina ana habakabaka aty amintsika dia tsy maintsy hirohotra ny olona ary mampitombo ny fiharian-karena. Nandritra izany ny nametrahana ny minisitry ny fitaterana Malagasy Benjamina Ramarcel Ramanantsoa ho filohan’ny komitin’ny minisitra ny ASECNA, izay ahitana mpikambana 17 amin’izao fotoana izao. Anisan’ny lahadinika ny politika ankapoben’ny ASECNA sy ny hanatanterahana ilay hoe habakabaka iray ho an’i Afrika, mba hanalalahana ny fifamoivoizana ana habakabaka ho lanitra Afrikanina manontolo. Nandritra ity fivoriana ity, dia nisy ny fanoloron’ny komitin’ny minisitra ao amin’ny ASECNA ny taratasim-bola hanampiana an’i Madagasikara noho ny fandalovan’ny rivodoza. Nisy ihany koa ny fanolorana ny “Medaille de l’aeronautique” ho an’i Kameronina sy Centrafrique.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT