Tsy mety milamina ary efa tsy nilamina hatramin’izay ny fandaminana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Ny resaka fiantsonan’ireo fiara mpitati-bahoaka no tena tiana asian-dresaka.
Miteraka korontana hatrany ny famindran-toerana ireo koperativa misy ary tsy mety ahitam-bahaolana matotra hatramin’izao na ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana na ny avy eo anivon’ny sampandraharaha manokana misahana ny fifamoivoizana (ATT). Efa toy ny toe-tsaina raiki-tapisaka rahateo ho an’ireo mpitatitra ny fandavana satria efa toe-tsaina raiki-tapisaka ho an’ny mpitondra koa ny manao baiko midina. Ny taona 2016, ohatra, ireo mpitatitra etsy Ambodivona no efa nangataka ny hanokafana toeram-piantsonana vaovao malalaka kokoa kanefa ny mahagaga dia nimenomenona indray farany teo. Na Ambohijanaka na Fasan’ny karana na Andohatapenaka, na aiza na aiza hikorontana hatrany rehefa tsy any am-piandohana ny teknisianina no mijery ny ilaina rehetra. Ny zava-misy hatramin’izay, raha ny fanazavan’ny mpisehatra eo amin’ny fitaterana iray dia tsy fantatra mazava ny isan’ireo mpitatitra kanefa ny toeram-piantsonana voaomana. Hany ka tsy mahagaga raha tery ireo toerana, io indray no miteraka adihevitra sy fifandirana avy eo satria mety mahatsapa ny mpitatitra sasanyhoe misy fiangarana ny fizarana toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.