Fifamoivoizana

Fifamoivoizana an-dranomasina Nirehitra am-pandehanana ny sambo « Shanny »


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Tra-doza an-dranomasina ny sambo « Shanny ». Teo Kingalahy Kaominina Tambohorano andalana hiazo an’i Mahajanga ity sambo ity no tra-doza ny alin’ny 2 hifoha ny 3 jolay tokony.

 

 

Akoson’aratra tamin’ny milina mampihodina ny motera manosika ny sambo no niandohan’ny afo, ary niitatra. Nanamora ny firehetana ihany koa ny fisian’ireo akora toy ny entona samihafa, fampiasa amin’ny fanamboarana sambo sy entona fandrehitra fandrahoana sakafo tao anatiny. Ny taona 2004 no nanomboka niasa ny sambo « Shanny ». Mpitatitra entana, indrindra hazandranomasina eo anelanelan’i Tambohorano sy Maintirano no tena ataony. Mahazaka 60 taonina eo. Tamin’ny aogositra 2019 no nialany tao Mahajanga. Nijanona niasa ilay sambo nanomboka tamin’ny aprily 2020 noho ny fahasimbana tao aminy. Vao telo herinandro teo izany no nahavitany rehefa nahitana piesy no izao nirehitra izao teny an-dalana hiazo an’i Mahajanga. Tsy nitondra entana ny sambo « Shanny » izy tra-doza izao. Lehibe ny fahavoazana. Nieren-doza ary avotra avokoa ireo olona 20 miaraka amin’ireo mpanamory miisa 7 tao anatiny, izay samy manana fiantohana avokoa araka ny loharanom-baovao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT