Fifamezivezena eto Antananarivo

Nampahatsiahy ny lalàna ny SMGD


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Volana Desambra, hitombo efa ho avo roa heny ny olona hifamezivezy eto Antananarivo,

hoy ny avy eo anivon’ny SMGD na “Société Municipale de Gestion Digitale”, izay orinasa misahana ny fifamoivoizana eto amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra na KAR nampahatsiahy omaly. Hitombo arak’izany koa ireo fiara hifamoivoy, hoy izy ireo. Tokony hitombo mifanaraka amin’izay ihany koa ny fanajàna ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fiantsonana amoron’ny arabe. Fihetsika iray tsy voatandrina dia mety hiteraka fitohanam-be ka hitondra fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana an-jatony maro. Raisinay ho adidy ny mampahatsiahy ireo fahazaran-dratsy mila ialàna raha hiandrandra filaminana. Matoky ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay izahay ka tsy hiandry sazy vao hanara-dalàna, hoy hatrany ny SMGD. Voarara ny miantsona ambony “trottoir” na fandehanan’ny mpandeha an-tongotra, miantsona amin’ny toerana efa misy takela-by fandrarana, toerana mampidi-doza toy ny anaty fiolanana sy sampanana, fiantsonana mihoam-pefy isan-karazany toy ny ivelan’ny faritra voasoritra, afovoan’ny arabe, manoloana vavahady sy ny toy izany rehetra, hoy ny fampahatsiahivana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT