Fifamaliana tao anaty taksibe

Resaka 2000Ar no nanatsatohana antsy ny resevera


  • Talata 24 Jona 2025

Zava-doza no nitranga teny amin’ny toerana antsoina hoe "Coca",

ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny Sabotsy lasa teo. Mpandeha taksibe roa sy ny revera no nifanditra mafy, ka niafara tamin’ny herisetra mahery vaika. Niharan’ny tsindron’antsy mantsy ny resevera rehefa niakatra ny daozin’ny fifandonana. Tamin’ny fiandohan’ny dia teny Andranomena no nidiran’ireo lehilahy roa tao anaty taksibe. Hikasa ho any Anosiala izy ireo, ary nifanaraka tamin’ny resevera fa 2 000 ariary no saran-dalana, efa tafiditra anatin’izany ny saram-pitaterana entana. Nifamaly anefa izy ireo teny an-dalana, ary nivadika ho fifandirana mivaivay tao anaty fiara. Rehefa tonga teny “Coca” Ambohidratrimo mantsy, dia nidina avy hatrany avy tao anaty fiara ireo mpandeha, raha ny tatitra. Vao tafidina anefa ireo dia notsatohan’ny iray tamin’izy ireo antsy ilay resevera. Rehefa vita izay dia nilomay nandositra izy roalahy. Nentin’ny olona haingana tany amin’ny hopitaly CHU Anosiala ilay naratra, izay mbola tsy nahatsiaro tena hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Voalaza fa efa tratra sy voasambotra tazonina ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ireo nahavanon-doza, ary miandry ny fanadihadiana lalina sy ny fitsarana. Taratry ny fikorontanam-piarahamonina ankehitriny, ka zavatra kely tsy dia manao ahoana dia tonga hatrany amin’ny trangan-javatra tsy ampoizina toy ny fifofoana ain’olona.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT