Fifamoivoizana

Fidirana sy fivoahana an’i Madagasikara Mitohy ny sidina manokan’ny Air France


  • Alakamisy 08 Aprily 2021

Mitohy ny fivezivezena mivoaka sy miditra an’i Madagasikara ho an’ny Kaompania Air France noho ny

 

 fikarakarana sidina manokana eo ambany fiahian’ny Masoivoho Frantsay eto amintsika. Nambaran’ny Fiadidian’ny Masoivoho Frantsay, fa mifandray akaiky amin’ny manam-pahefana Malagasy izy ireo amin’izany ao anatin’ny fampodiana olona avy eto makany Paris sy ny avy any mankaty. Isaky ny sabotsy ny sidina avy any miditra eto Madagasikara, ary isaky alatsinainy kosa ny miverina. Hatramin’ny faran’ny volana aprily io, raha ny voarakitry ny fangatahana napetraky ny Masoivoho Frantsay tamin’ny manam-pahefana Malagasy, hoy ny fampahafantarana. Etsy amin’ny Ivon’ny Air France ao amin’ny Tour Zital Ankorondrano ireo mpandeha maniry ny hisitraka izany sidina manokana izany.

MIZANA TSINDRIAN’ILA ?
 Resahin’ny mpitondra Malagasy foana ny hoe mbola mikatona ny habakabak’i Madagasikara, ary vao ny 03 aprily lasa teo no nanamafy izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Misy foana anefa ny sidina manokana, ary tsy entana no taterina eto fa tena olona. Resabe ny fikatonan’ny habakabaka, fa tena misy ny mandeha hatrany, ary vao ny 05 aprily teo, ohatra, no nisy sidina nampifandray an’I Madagasikara sy Johannesbourg Afrika Atsimo, izay tsy fantatra intsony na olona no notateriny na sanatria volamena. Ny ato anatiny kosa fehezina ny zotra nasionaly hifehezana ny covid-19, izay mahatonga ny olona hitsara fa natao ho an’ny madinika ny lalàna. Samy fisorohana ny valanaretina avokoa no nametrahana ireo fepetra roa ireo, saingy misy ny mihatra fa ao ny toa hasiana hena-maso ka mandeha ihany. Azo atao tsara ny mametraka fepetra hentitra samihafa fa avela hivezivezy ny Malagasy, toy ny fanaovana fitiliana ho an’izay hivoaka ny faritra. Fanotaniana iray nipetraka tao anatin’ny tambajotran-tsosialy ny hoe: Raha Antananarivo-Antsirabe, fiara mitondra fianankaviana ve mety ho afaka ihany? Tsotra ny valin-teny nataon’ny eo anivon’ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny “InfoCom Seg” fa “ny mpamily migadra, ny mpandeha voasazy manao TIG sy miverina an-tongotra, ny fiara fourrière”. Mitovy tantana eo anatrehan’ny mpitondra ve ny vahoaka Malagasy?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT