Fifamoivoizana

Fidinan’Antaninandro Tsy nahafehy familiana ilay saoferana Taxi be


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Taxibe iray ao amin’ny zotra 134 mampitohy an’Analakely amin’Andohalo no tra-doza ny sabotsy 07 mey maraina teo tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy nahafehy ny familiana ilay mpamily ka nirimorimo ilay fiara ary nidona tamin-javatra. Teny amin’iny fidinana Antaninandro miazo an’i Faravohitra iny no nitrangan’izany, raha hamonjy an’Analakely ilay taxibe. Nihoraka avokoa ireo olona tao anatiny nandritra izany saingy tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Ilay fiara no nahitana fahasimbana. Marihina moa fa nitombo izay tsy izy ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra tato ho ato. Ankoatra ny moto dia maro ihany koa ireo fiara lasibatra ka tokony ho mailo sy hitandrina hatrany ny rehetra, indrindra fa ny mpamily. Nangonin’i Pati Legende : Ity ilay fiara tra-doza
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT