Fifamoivoizana

Fiarovana amin’ny Pesta -Fasan’ny karana Hentitra ny ATT amin’ny fampiharana ny “manifold”


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Teny amin’ny toby fiantsonana eny amin’ny Fasan’ny Karana ny sabotsy teo no nanatanteraka ilay asa tagnamaro andiany faharoa ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC.

 

 

 

 Nifanome tanana tamin’izy ireo ny koperativa ao amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly nanadio ny teny an-toerana iray manontolo narahin’ny fandrarahana fanafody iadiana amin’ny mikraoba. Nivoitra nandritra izany fa hitohy hatrany ny asa fanadiovana tahaka izao hahafahana mitandro ny fahasalaman’ireo mpandeha mivezivezy eny an-toerana. Ankoatra izay dia nambaran’ny tale jeneralin’ny ATT Atoa Reribaky Jeannot fa ho hentitra izy ireo amin’ny fampiharana ny manifold hahafahana manara-maso ireo mpandeha. Raha sanatria mantsy, hoy izy ka misy olona iray marary ao anaty fiara dia hita avy hatrany ao anatin’ny “manifold” hampiasan’ilay taksibrosy izy ireny hahafahana mitsabo azy haingana sy ireo nanakaiky azy hisorohana ny fifindran’ny aretina. Narahina fanentanana ny koperativa sy ny mpandeha avy hatrany ity hetsika notanterahin’ny ATT ity ka aorian’izao dia hisy avy hatrany ny fampiharana ny sazy ho an’ireo tratra mandika lalàna.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT