Fiarovana amin'ny taksibe manary an-dalana

Mijoro ny Gasy MRV


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV

na Gasy miaro ny rariny ho an'ny vahoaka, araka ny fampahafantarana nataon'ny biraon'ity fikambanana ity tetsy Ampefiloha omaly. Ireo mpanjifa na mpandeha taksibe, indrindra indrindra, no tena ho jerena manokana, hoy ny fanazavana, ary nalaza moa ny faran'ny herinandro teo ny resaka fitrongisana vola amin'ny taksibe. Efa nanana vina hiaro ny mpandeha ny fikambanana satria maro ankehitriny ireo mpanjifa tsy mahatakatra mitaingina taksibe noho ny fiakaran'ny vidim-piainana. Misy vahoaka mandeha taksibe koa mbola arian'ireny fitateram-bahoaka ireny an-dalana. Misy olona manana tombontsoa sy milamindamim-piainana amin'ny fiodinan'izy ireny an-dalana kay izany. Lasa tsy misy mpiraharaha intsony ilay vahoaka na very an-dalana amin'ny firy alina aza. Lasa mihazakazaka be ny toe-draharaha tato ho ato ary tena hita fa misy maka vola ilay taksibe. Manasa antsika mpandeha taksibe, noho izany, ny Gasy MRV hanatona ny biraony ety Ampefiloha, ety amin'ny "Barrière", fa hiara-hiasa isika. Miaro ny mpanjifa amin'ny lafiny rehetra ny fikambanana fa nosinganina manokana kosa ireo mpandeha fitateram-bahoaka satria ireo no tena mijaly loatra ary tsy misy mpiraharaha. Ho avy any amin'ireo birao misahana ny fitandroana filaminana tsirairay ny fikambanana satria hiaraha-miasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka amin'ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra mikasika ireo mbola manao ireny fomba ratsy ireny, hoy hatrany ity fikambanana tarihin'ny filohany Delphin Randrianjaka ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT