Fifamoivoizana

Fiarana lietna nandona taksibe 194 Ilay mpamily indray no nidoboka am-ponja


  • Alarobia 12 Jona 2019

Tsy namelan’ilay lietnà mpandraharaha ny fonja izay voalaza fa mamo teo am-pamiliana ary nandona ilay taksibe laharana 194 raha tsy nidoboka teny am-ponja nandritra ny folo andro ny mpamily.

 

 

 Ny 28 martsa lasa teo no nitranga ny tantara  teny Ampasampito, ilay miakatra avy any Nanisana iny. Roa volana taty aoriana ilay lietnà vao nitory. Soa ihany anefa fa nisy mpanao gazety tao anatin’ilay fiara fitaterana nandrakitra tamin’ny alalan’ny feo ny zava-nitranga rehetra ka izay no nentina nanaovana porofo teny anivon’ny fitsarana nahafahana nanafaka madiodio ilay mpamily. Tafiditra tao ny fitenin’ilay lietnà izay niraikitra nandritra ny resaka nataony.  Ankehitriny, misy mbola mikasa hanenjika indray ity mpamily ity. Mihaodihaody eny amin’ny toby fiantsonan’ny 194 mantsy ireo vavolombelona mpandainga nalain’ilay lietnà tamin’ny fotoana nitrangan’ny raharaha. Tsy miala amin’io  manamboninahitra io izy ireo raha misy mahazo ny havany sy ilay fiara entiny.  Nolazain’ilay lietnà fa nanompa reny sy anabavy azy ary nandrahona hanimba ny fiarany sy nitarika olona hanao herisetra moa no nahafahany nampiditra am-ponja ilay mpamily teny am-piandohana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT