Fifamoivoizana

Fiaramanidina tonga eto Madagasikara Misy mpandeha mandoa vola dia tsy mihiboka ?


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Misy foana ny sidina isaky ny alahady tonga eto Madagasikara. Isaky ny alahady

 

 

 

 

alina amin’ny 9ora sy 45 minitra izany no tonga eny Ivato, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Ny 16 janoary 2021 teo anefa no namoaka fanambarana ny ACM, fa miato ny sidina tsy miankina iraisam-pirenena, ary mila fahazoan-dàlana manokana ny Fitondrana marary makany ivelany na EVASAN. Nisy ny lisitra firenena 44 nataon’ny ACM ao anaty lisitra mainty noho ny covid-19 ny 16 janoary teo ka 17 any Eoropa ary isan’io I Lafrantsa. Ny Air France sy ny Ethiopians Airlines no voalaza fa tena manao sidina mivoaka sy miditra eto ka indray na in-droa isan-kerinandro eo izany. Misy ny fitiliana atao amin’ireo mpandeha, kanefa tsy maintsy mihiboka amina hotely izy ireo mandritra ny 48ora na 72ora. Mivaly ny fitiliana vao afaka mandeha, fa mila mihiboka aloha mialoha an’izay. Misy anefa ireo olona tonga dia mamonjy fodiana. Tsy fantatra mitondra ny covid-19. Mijery fotsiny no azon’ireo mpiasa atao, fa tsy afaka hiteny hoe: iza no nanao kolikoly teo? Tsy te hijanona amina hotely, hiantoka sakafo any amin’ny hotely, mety handaniana hatrany amin’ny 4 hetsy ariary, ka mandoa 2 hetsy ariary dia mety hilamina. Raha vao misy olona tonga isaky ny alahady, dia misy ny tonga dia mamonjy ny zotra nasionaly toy ny hoe tsy avy any ivelany. Misy ny tsy mihiboka satria manam-bola ka manao kolikoly. Misy ny mpanam-bola, misy mpikarakara, misy ihany koa ireo olona manao iraka diplaomatika tsy azo atao na inona na inona. Tao anatin’ny volana janoary dia tafiakatra 976 ny trangana covid-19 teto Madagasikara ka 2 avy any ivelany, ary raha sanatria misy voa ireo tsy mety mihiboka, dia mety hanaparitaka.

 

Rehefa vohaina, dia tokony hosokafana ny habakabaka, fa ny fepetra no mila henjanina mafy dia mafy, ary rehefa hakatona dia hakatona, fa tsy tokony hisy tombo sy hala. Mba maniry ny hisokafan’ny lanitra ihany koa ny mpandraharaha, toy ny amin’ny sehatry ny fizahantany. Lazaina fa mikatona kanefa, toa misokatra ihany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT