Fifamoivoizana

Fiaramanidina nianjera tany Alaotra Maty tsy tra-drano ilay mpanamory vao 25 taona monja


  • Talata 24 Janoary 2023

Fiaramanidina kely iray marika Piper PA-28 mitondra ny laharana 5R-AAR an’ny kaompania Aéromarine no tra-doza tany Beapanga Mangalahala atsimo andrefan’I Sahadingana ao anatin’ny kaominina Andilanatoby,

distrika an’Ambarondrazaka, tany amin’ny 15km miala amin’ny RN44 ny andron’ny omaly alatsinainy 23 janoary 2023 tamin’ny 8:45 maraina teo. Niainga teny Ivato tamin’ny 7ora maraina teo ho eo izy io, ary nikasa ho any Mananara Avaratra, saingy io tra-doza io. Tamin’ny 7ora sy sasany maraina no efa naheno feo niraondraona teny an’habakabaka ny mponina teo amin’ny manodidina, ary naneeho feo nidoboka, raha ny fanamarihana. Adin’ny iray taoriana anefa vao tona teny amin’ny toerana noho ilay toerana somary mananosarotra noho ny lohasaha samihafa. Ora roa dia an-tongotra vao tonga eo amin’ilay toerana, miala eo Andilanatoby. Potika tanteraka io fiaramanidina kely io, ary niala tany ho any amin’ny 1km ny elany iray. Olona iray no tao anatiny dia I Landry Razananajafy, mpanamory vao erotrerony, teraka 24 aprily 1998, izany hoe vao 25 taona monja, ary maty tamin’ity loza nahazo azy ity. Tany amin’ny 50m teo ho eo niala tamin’ny fiaramanidina no nahitana ny fatiny, izay feno ratra raha ny fanamarihana. Toe-javatra izay isan’ny tena mampalahelo satria azo raisina sary an-tsaina tsara ny fisikinam-ponitra teo aminy sy ny fianankaviany tamin’ny fianarana ho mpanamory izay, saingy tafita vao rendrika i Landry Razanajafy. Irony fiaramanidina antsoina hoe: “avion-école” na fianarana manamory irony ity tra-doza ity. Tsy mbola fantatra mazava ny antony niteraka ny loza, izay hosokafana avy hatrany raha ny nambaran’ny Minisitry ny fitaterana Roland Rajatoelina omaly. Nisy kosa omaly ny fampahalalam-baovao nitatitra fa mpianatra ho mpanamory, sambany nitondra fiaramanidina irery io mpanamory vao erotrerony namoy ny ainy. Tsy hampiverina ny maty, ary maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’I Landry Razanajafy, saingy mampametra-panontaniana ihany hoe: tena zavatra tsy azo hanoharana ve ny tsy maintsy nandefasana azy irery? Inona no andraikitry ny manam-pahefana namoaka ny fahazoan-dàlana hisidina eo anatrehan’ny vanim-potoana izay toa ao anatin’ny andro ratsy ihany? Olon-tsotra sa tompon’andraikitra ara-panjakana ilay saika halaina tany Mananara Avaratra? Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana mikasika ity toe-javatra mampalahelo nitrana tany Andilanatoby ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT